Fanaraha-maso ny fifamoivoizana

Raikitra ny fampiasana ny « Logiciel E-Tsirika »


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Hampiasa ny rindram-baika na « logiciel » antsoina hoe : E-Tsirika ny eo anivon’ny DGSR

Direction Générale de la Sécurité Routière) manomboka izao, hoentina manatsara ny fitsirihana sy fanaraha-maso ny fifamoivoizana an-tanety, raha ny seraserany omaly. Ho hita ao anatin’ny fotoana eo noho eo ny fitsirihana natao, hanatsara ny antontan’isa. Ho fantatra avokoa ireo fiara mivoaka ny faritra hiasany. Tsy maintsy hisy fitiliana manokana, ary mila fahazoan-dàlana manokana. Hanamafy ny fanaraha-maso ireo fiara tsy nahavita fitsirihana ara-mekanika mitatitra olona eny amin’ny lalam-pirenena. Ho an’ireo fiara hitatitra olona amin’ny zotra na lalam-pirenena tsy misy azy sy hampiasainy, dia tsy maintsy manao fitsirihana manokana na “visite technique spécial” amin’ny Sarany 13 200 Ariary. Tanjona ny hampihenana ny lozam-pifamoivoizana amin’izao fialan-tsasatra lehibe izao. Hidiana amin’ny kolikoly eny an-dalana ihany koa ny fampiasana ny logiciel E-Tsirika, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny DGSR Jeneraly RERIBAKE Jeannot.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT