Fifamoivoizana

Fanaovam-baksinin’ny covid-19 Hisy fitetezana sekolysy fiangonana eto Antananarivo


  • Talata 05 Jolay 2022

Raha 421 000 ny olona 18 taona mihoatra (50, 5%) nokendrena ho vita vaksiny amin’ity taona ity eto Antananarivo, dia voalaza fa ny 227 000 (27, 2%) no vita hatreto,

hoy ny tomponandraikitry ny fandaharan’asa misahana ny vakisiny eto Antananarivo Renivohitra. Mbola vitsy araka izany ny tahan’ny fanaovam-bakisiny eto amin’ny distrikan’Antananarivo renivohitra. Manoloana izany indrindra, miditra ao anatin’ny fanentanana mandritra ny 100 andro ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, nanomboka ny 1 jolay lasa teo ho an’ny distrikan’Antananarivo Renivohitra. Kendrena amin’izao hetsika izao ny fiangonana, ny sekoly sy ny oniversite tsy miankina. Mitety ny toerana rehetra vory olona toy ny tsena ihany koa ireo mpiantsehatra, amin’izany indrindra no hampahafantarana azy ireo ny mahazava-dehibe ny vaksiny, hoy ny tomponandraikitra tamin’ny fampahalalam-baovao iray. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy, fa miakatra hatrany tahan’ny olona voan’ny coronavirus eto Madagasikara, ary lohalaharana ny faritra Analamanga. Iny nahitana olona 3 namoy ny ainy iny ny herinandro teo, ary nahatratra 406 iny ny tranga herinandro izany hoe : 58 isan’andro raha atao ny salan’isa. Ny vaksiny hatreto no fanefitra ekena ho ara-dalàna sy manan-kery maneran-tany. Manomboka mivaha ny fepetra ara-pahasalamana izay tsy ny eto ihany fa maneran-tany. Tsy afaka ny hihiboka foana sy hampikatso zavatra maro hangeja ny toekarena isika, fa ny fisorohana sy ny fiarovana no hany vahaolana.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT