Fifamoivoizana

Fanampiana tsy tonga Nitokona ny mpamily taxi-be eny Ivato


  • Zoma 03 Aprily 2020

Nitokona nanoloana ny toeram-pivarotan-tsolika iray ao Ivato avokoa omaly maraina ireo mpamily taxi-be sy ny mpanampy azy ao amin’ny zotra D izay mitontaly 2.000 eo ho eo.

 

 

 

Hatramin’ny omaly mantsy dia nanambara izy ireo fa mbola tsy nahazo ilay fanampiana nampanantenain’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina noho izao hamehana ara-pahasalamana mihatra eto amin’ny firenena izao. Mahatsiaro ho sahirana mafy izy ireo sy ny vady aman-janany noho izany. Voatery niditra an-tsehatra nifampiresaka tamin’izy ireo moa ny mpitandro ny filaminana ka fantatra fa efa mikarakara ary mandray ny andraikiny ireo tompon’andraikitra misahana izany. Tsy azo hatao mantsy ny mivorivory, indrindra amin’izao fisian’ny coronavirus eto amintsika izao ka tsy maintsy nanaovana fanentanana sy noravana moramora izy ireo. Mikasika ny filaharana fanampiana etsy amin’ny lapan’ny tananan’Analakely isan’andro indray dia nanolotra soso-kevitra ireo filohana koperativa fa tokony omena azy ireo ny anjaran’ireo mpamily sy ny mpanampy azy ao aminy hozarainy. Vao mainka atahorana mantsy hoy izy ireo ny fiparitahan’ny COVID 19 ka manahy ny fahasalamany ihany koa izy ireo. Raha izahay filoha koperativa hoy ny sasany no tsy hatokisana amin’ny fizarana dia afaka mandeha mpitandro ny filaminana ny fanjakana hanara-maso izany. Nomarihin’izy ireo moa fa ankoatra ny mpamily sy ny mpanampy azy dia tokony jeren’ny fanjakana ihany koa ny cadenceur sy ny pointeur izay tena sahirana mafy koa amin’izao satria tsy miodina ny koperativa misy azy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT