Fanamboaranan-dalana andro atoandro

Efa fantatra fa miteraka fitohanana fa mbola tohizana ihany


  • Alatsinainy 26 Mey 2025

10km miala na hiditra an'Ambatolampy ilay lalana amboarina, hoy ny tatitr’ireo

mpanara-baovao nandia iny lalam-pirenena fahafito na RN 7 iny ny sabotsy teo, dia misy tahaka izay koa eny Ampitatafika, lalana mankany Antsirabe. Ilay mpiasa miasa ao, hoy ny tekinisianina momba ny asa vaventy sendra nandalo, manao aroloha sy aronakanjo soamantsara fa ny kiraro fiarovana na «chaussure de sécurité» no tsy nampanamboatra angamba ilay sinoa. Ny «panneau» na takelaby filazàna mombamomba ny asa moa dia tsy misy na iray santimetatra aza mba hahalalanay vahoaka hoe rahoviana no mifarana ny asa, hoy izy. Rehefa nanontany olona teny dia hoe mbola amin’ny martsa 2026 any izy io vao vita, hoy ihany ny tenany, sady nampita an-tsary ny fitohanan’ny fifamoivoizana teny an-toerana vokatr’izany asa fanamboaran-dalana atoandro be nanahary izany. Efa fantatra hatramin’izay fa miteraka fitohanana izay tsy izy fa mbola tohizan’ireo tomponandraikitra ihany moa izany rehetra izany.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT