Fifamoivoizana

Fanamboarana vonjimaika ny RN2 Nitohana naharitra ny fifamoivoizana teo Marozevo omaly


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Mikisaka tsikelikely ny fanamboarana vonjimaika ny làlam-pirenena faharoa na ny RN 2 mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina. Asa izay tafiditra ao anatin’ireo "travaux d'urgence"

an’ny Minisiteran'ny Asa Vaventy izay vatsian'ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan'ny "Ressources Propres Internes (RPI)". Ny asa tanterahin'ny orinasa ankehitriny dia ny fanaovana ireo "reprofilage" sy fanotofana ireo lavaka amin'ny alalan'ireo "matériaux sélectionnés " ary ny fanokafana ireo "canal d'irrigation" hiarovana ny arabe tsy ho simba, araka ny fampahafantarana efa nataon’ny Minisitera mpiahy. Mbola karazana asa vonjimaika araka ny voalaza etsy ambony noho izany io, fa tsy tena asa manara-penitra be, fa izay ahafahana mandeha aloha no atao. Raha ny omaly manokana, teo Marozevo no nisy ny fanamboarana, nanotofana ny làlana feno kilavadavaka izay tena potika tanteraka. Vokany, nitohan izay tsy izy ny fiarakadia teo an-tànanan’I Marozevo omaly alarobia 15 febroary satria nahatratra adin’ny iray sy sasany teo no niandrasana izany. Eo ny fanamboarana izay midika fanatsaran-javatra, saingy betsaka ihany koa ny mpampiasa fiara sy mpandeha no nimenomenona hoe: sao mba tokony hojerena ihany, toy ny hoe: sao mba tokony ho amin’ny alina, na amin’ny fotoana heverina ho tsy dia be mpandeha no hanaovana azy. Na izany aza, zava-dehibe ny fanamboarana, ary irariana mba ho tena asa manara-penitra ny ho tohiny, fa tsy sanatria hijanona ho vonjitavanandro hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT