Fifamoivoizana

Fanamboarana tsy hita popoka Efa very fanantenana ireo mpampiasa lalana eny 67 ha


  • Zoma 25 Febroary 2022

Azo lazaina ho efa very fanantenana ireo mpampiasa ny lalana eny 67 ha, raha ny mikasika ny fanamboarana ity lalana isan’ny be mpampiasa indrindra eto Antananarivo ity no asian-teny.

 Novazivaziana ho novain’ireo mponina ho lalana Ambilobe-Vohemar moa ny ampahan-dalana iray eny an-toerana, raha ny hita ny 22 febroary teo. “Tompo o! Mba amboary ny lalana eny 67 ha fa efa tsy azo lazaina ho lalana intsony.”, hoy koa ny antso iray tao anaty tambazotran-tserasera tao ny ampitson’iny. Antso toa vazivazy zaritenany nefa toy ny midika ihany koa hoe tsy hantenaina hanamboatra izany intsony ny fitondram-panjakana. Andrasana ny fahatongavan-tsainan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny fa dia tena mampijaly ireo fitaovam-pitaterana aloha ilay izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT