Tokony ho feno tsara ny
hoenti-manana rehetra mialohan’ny hanaovana azy
An-tapitrisa maro ny fantiantoka vokatry ny fahasimban’ny lalana eto Madagasikara. Ny lalana izay tsy natao hifamezivezena fotsiny fa famoahana ireo sopitra ara-toekaren’i Madagasikara. Raha ny fenitra dia tokony haharitra 15 taona amin’ny ankapobeny ny lalana iray. Antony telo anisany tsy mampaharitra ny lalana eto amintsika anefa hoy Rtoa Nathalie RASAMISON avy amin’ny ONG Lalana ny tsy fampandraisana anjara ireo tena mampiasa ny lalana. Ny tsy fisian’ny politika ankapobeny sy ny lafiny ara-bola. Tsy fijerevana loatra ny mety ho fiatraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin’ireo firenena nisitraka ny fandaharanasa ASII na Africa Sustainable Infrastructure Initiative, mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny tokony hisian’ny faharetan’ny fotodrafitr’asa vaventy i Madagasikara. Tao anatin’ny 3 taona dia nanao fanjohina ny mikasika ny fanamboarana sy ny fikojakojana ny lalana eto Madagasikara ny teo anivon’ny fiarahamonim-pirenena, nahitana ny ny ONG Lalana, ny CNPE, OSCIE, Transparency International Initiative Madagascar, ny fikambanana Manondroala Madagascar, ny Tafo Mihaavo, ary ny BIMTT ary ireo fiarahamonim-pirenena tany amin’ny faritra Diana, Melaka ary Menabe. Isany nanaovan’izy ireo fanadihadiana manokana ny fanamboarana ny « autoroute ». Nisongadina tao anatin’izany ny fitarainan’ny olona izay nanana tany voakasiky ny tetikasa satria tsy vitsy tamin’izy ireo no tsy nahafantatra mialoha akory ho mandalo aiza ny lalana, ahoana ny fanoherana ny taniny,… Nentin’ny fiarahamonimpirenena teo anivon’ny tompon’andraikitra tamin’izany fotoana io fitarainan’ny mponina io saingy nanano sarotsarotra ny nazahoana ny teo anivon’ny fitondram-panjakana raha ny fanazavana. Nampahafantatra ireo « recommandation » nivoaka avy amin’ny fandaharanasa ASII ny fiarahamonim-pirenena omaly tetsy amin’ny Motel Anosy. Isany nasongadin’izy ireo tao anatin’izany ny tokony hijerena ny hoenti-manana rehetra, ara-bola, ara-teknika mialohan’ny hanaovana lalana na fanatsaran-dalana. Tokony hisy fampandraisana anjara mavitrika ny mponina hiatefan’ny tetikasa ary mila jerena ny fiatraikany amin’ny tontolo iainana.
LALAINA RAV
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.