Raha araka ny tanjona napetraky nyfitondram-panjakana dia tokony hahavita lalana 10 km isan-taona ny faritra tsirairay avy hahafahana manarina ireo lalan-dratsy mampitaraina ny mponina manerana ny Nosy.
Hakarina hatrany ny famatsiam-bola omena izay tena miasa tsara hialana amin’ny fitokana-monina sy ny tsy fahafahan’ireo tantsaha mpamokatra mamoaka vokatra. Hanampy betsaka ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana izany ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Tanora miisa 400.000 mantsy no hofanin’izy ireo hanamboatra rarivato na pave mba hanamboaran-dalana raha toraka izany ihany koa ny fametrahana azy. Efa nisy ireo nahavita fiofanana tany Manjakandriana, hiara-kiasa sy hanampy ny Faritra Analamanga amin’izany fanamboarana rarivato sy fametrahana azy amin’ny lalana izany. Hitohy any amin’ny Faritra Sofia ny fanofanana ny 14 oktobra ho avy izao izay mbola hiampita any amin’ny faritra atsimo ihany koa ny 20 Oktobra. Tanjon’ity Ministera ity ny hahafahana manampy ny tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany no sady hanampiana ny mpitondra amin’ny tetikasa tiany hotanterahina ihany koa. Tanjona iraisan’ny roa tonta kosa ny hanomezana asa mahavelona ny tanora hiarovana hahafahana miady amin’ny fahantrana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.