Fifamoivoizana

Fanamboarana ny RN6 sy RN13 Hanome 235 tapitrisa Euros ny Eoropeanina


  • Zoma 01 Desambra 2017

Nivoitra tamin’ny fihaonan’ny Vondrona Eoropeanina sy ny fanjakana Malagasy nandritra ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Eoropeanina sy Afrikanina tany Abidjan Côte d’Ivoire tamin’ity herinandro ity ny fifanarahana ara-piaraha-miasa eo amin’’i Madagasikara sy ny vondrona Eoropeanina.

Tontosa tany an-toerana nandritra ny fihaonana iraisam-pirenena ny fifanaovan-tsonia momba ny fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana Malagasy sy ny Banky Eoropeanina momba ny fampandrosoana (VEI). Famatsiam-bola mitentina 235 tapitrisa euros na 891 120 000 000 ariary avy amin'ny Banque Européenne d'Investissement (BEI) sy ny Vondrona Eoropeanina no hanatanterahana ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-6 (Ambanja-Antsiranana) sy faha-13 (Ihosy-Tolagnaro), fotodrafitrasa fototra efa ela nampijaly ka hanana ny lanjany tokoa ny fanarenana azy. Nialoha ny fifanaovan-tsonia dia nisy ny fifampiresahana teo amin’ny filoham-pirenena Malagasy sy ny  kaomisera Eoropeanina momba ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny fampandrosoana, Neven Mimica sy ny filoha lefitry ny VEI, Ambroise Fayolle. Marihina kosa anefa fa ny 120 tapitrisa Euros amin’io vola io dia ampindramina ary ny 115 tapitrisa Euros no tsy haverina intsony. Afaka volana vitsy no hivoahany ka dia miandry ny fanjakana na  hivoaka sa tsia. Nandritra ity fihaonana tany Abidjan ity ny fifampiresahana manokana teo amin’ny filoha Malagasy sy ny filoha Frantsay Emmanuel Marcon, izay nifanakalozan-kevitra momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, indrindra ny fifamatorana ao anatin’ny Frankofonia.

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT