Nifanao sonia tamin’ny sinoa amin’ny hanamboarana ny lalam-pirenena RN5A (Ambilobe-Vohémar : 150,710 km) ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina no efa nanomboka io asa fanamboarana ny RN5A io, niaraka tamin'ny sinoa, ka ny 16 aogositra 2018 no nisian’ny lanonam-be tao Ambilobe. « Bye bye gôdra » no lohahevitra nentina niresahana azy io satria hatao veloma ny fotaka mandrevo fa hivadika ho lalana vita tara. 15-24 volana ny faharetan’ny asa, ka ny orinasa China Road and Bridge Corporation (CRBC) no manao azy; banky sinoa Exim bank no hamatsy vola 158 tapitrisa dolara, rehefa nihemotra ny Vondrona Eoropeanina. Tsy hanome tsiny ny tsy nahavita aho, fa ny fantatro aloha izao dia ny tenako no mandray andraikitra, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Hafa mihitsy kosa ny tenin-dRajoelina izay te hamafa ny anaran’ny teo aloha angady nananana sy vy nahitana ny asa, fa manohy ny an-dRajoelina saingy mba te hoderaina. Mandeha ny esoeson-teny. Betsaka, hoy izy, ireo mpitondra nifanesy nampanantena ny hanamboatra, tao aza no nanao sarintsarina fametrahana fanombohana ny asa, saingy tsy nisy tanteraka izy ireny. Nandritra izay 80 andro nitantanako ny firenena izay dia nitady ny lalana rehetra, tsy mandry andro tsy mandry alina, nifampidinika tamin'ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena isan-tokony nikaroka ny tetika sy hevitra ary lalam-bola hoentina hanamboarana ity làlam-pirenena ity, izay efa nampanantenaiko antsika. Ny taona 2017 no nisy ny resaka famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, saingy tsy tanteraka ka nahitana làlana tamin’ny sinoa avy eo. Io indray fa misy ny hoe: fifanarahana amin’ny sinoa nataon-dRajoelina, ka ho hita eo ny fivoarany. Tsaroana ny resaka novoizina sy nanaratsiana ny tarigetran-dRavalomanana hoe: “Amboaro ny lalana eto Madagasikara”, ka nahavitana 10000km latsaka. Novoizin’ny sasany avy eo ny hoe: ny làlana angaha azo hoanina, saingy mba te hisoratra amin’ny tantara fa nahavita làlana hono e! Betsaka ny asa fanamboara-dàlana nandeha, saingy tapaka noho ny fanonganam-panjakana 2009, toy ny tany Tolagnaro,… Ny soa fianatra, ary ny vava no tsy atao be dia ny mamerina azy tokoa no sarotra, hoy ny oha-pitenenena izay e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.