Fifamoivoizana

Fanamboarana ny RN41 Efa mizotra ny ara-taratasy


  • Zoma 29 Aprily 2022

Efa madiva ho vita ny lalana "Entrée Fandriana" ao amin’ny faritra Amoron'i Mania, hoy ny fampitam-baovaon’ny governora ao an-toerana, Mamiarisoa Radaloson.

Mandeha tsara ny asa fanamboaran-dalana izay miditra eto amin'ny kaominina ambonivohitra Fandriana, distrika Fandriana, faritra Amoron'i Mania, hoy izy. Andro sisa isaina dia ho vita tanteraka izy ity. Mirefy 2 kilaometatra eo ho eo. Marihina fa ity "Entrée Fandriana" ity dia tena efa lavadavaka be sy potika tanteraka ary indrindra efa nampikaikaika ny vahoaka talohan'izao fanamboarana azy izao ka dia izao izy vitain'ny eto amin'ny faritra izao satria izao no antom-pisiana. Ny zava-dehibe ihany koa dia efa mizotra tsara ny ara-taratasy mba ahafahana manomboka ny lalam-pirenena faha 41 (RN 41) mampitohy an'i Kelikapona Ambositra amin'ny Fandriana izay ataon'ny avy eo anivon'ny ministeran'ny asa vaventy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.

J. Mirija

Legende: Ny lalana "Entrée Fandriana"

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT