Fifamoivoizana

Fanamboarana ny RN2 Mitohy ny asa hoy ny Minisitera, tsy afa-po ny kamiao


  • Talata 14 Febroary 2023

Namoaka serasera ny Minisiteran’ny asa vaventy omaly 13 febroary 2023, fa mitohy hatrany ny fanamboarana sy fanatsarana ny lalam-pirenena faha-2 (RN 2) mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina.

Nambara fa asa izay tafiditra ao anatin’ireo "Travaux d'urgence" ny Minisiteran'ny Asa Vaventy izay vatsian'ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan'ny "Ressources Propres Internes (RPI)". Ny PK 78 Anjiro no asiam-panamboarana, ary ny asa tanterahin'ny orinasa ankehitriny dia ny fanaovana ireo "reprofilage" sy fanotofana ireo lavaka amin'ny alalan'ireo "matériaux sélectionnés " ary ny fanokafana ireo "canal d'irrigation" hiarovana ny arabe tsy ho simba, hoy ny fanamarihana. Aorian'izay dia hanatanteraka ny asa famendrahana ireo tara ny orinasa. Tsara ny mampahatsiahy, fa nankatoavina tao anatin’ny Filankevitry tamin’ny 19 janoary 2023, ny fanomezana alalana mialoha na “autorisation d’engagement préalable” amin’ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena rehetra noho ny hamehana sy fahasimbana. Tsy manaraka ny pitsopitsony mahazatra takiana amin’ny maha tsenan’asam-panjakananoho ny hamehana. Notanisaina ny RNS 1, RNS 1Bis, RNP 2, RNS 5a, RNP 7, RNT 8B, RNT 33B, ary ampahany amin’ny sasany amin’ny làlana eto Antananarivo Renivohitra. Nambara fa nanomboka 2020 dia nihazakazaka be ny fahasimban’ny làlam-pirenena, izay nambara fa nateraky ny vesatry ny fiara mifamezivezy. Notsiahivina ihany koa ny maha tompon’ny asa na “maître d’œuvre” ny minisiteran’ny asa vaventy ka tsy maintsy ahazoana ny fankatoavany ny tetikasa rehetra mety mahakasika ny làlam-pirenena. Nambaran’ny fikambanan’ireo kamiao mpitatitra kosa omaly tamin’ny fampahalalam-baovao iray, fa raha 100% no noeritreretina amin’ny « Point noire » amin’ny làlam-pirenena dia mbola 5% hatreto, hoy izy ireo. Manahy ireo mpitatitra fa raha sanatria mbola misy rivodoza dia ho tapaka ny ankamaroan’ireo làlana. Misy ny tenin’ny Filoha hoe: ny kamio no mitondra enta-mavesatra kanefa isika tany tan-dalàna ka tsy afaka mitondra entana mihoatra, efa misy tompon’andraikitra misahana izany, hoy hatrany ny valin-kafatra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT