Fifamoivoizana

Fanamboarana ny RN13 Ny “werawera” no lasa aloha


  • Talata 14 Jona 2022

Ny kisehoseho ivelany no lasa aloha, vao fanombohana asa dia efa fety be tsy hifankahitana izany hoe: ny “werawera”

na ny kisehoseho ivelany no lasa aloha mikasika ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-13. Ity RN13 ity izay nanaovan’ny Filoha Rajoelina velirano ny aogositra 2020 fa tsy hanao politika intsony izy raha tsy vita io. Efa tamin’ny taona 2017 moa no nisy ny dingana niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina momba ny fanamboarana ny RN13. Mialohan’ny faran’ny taona 2020 no nolazain’ny filoha fa hanombohany. Tsy tontosa tamin’iny ka nolazaina fa mialohan’ny faran’ny 2021 indray. 2022 indray isika izao, ka hanomboka amin'ny 18 Jona 2022 ho avy izao ny asa fanamboarana an’io RN13 io amin'ny ampahany mampifandray an'Ambovombe ka hatrany Taolagnaro izay mirefy 110 km, raha ny fampahafantarana navoakan’ny Fanjakana. Fanamboaran-dalana izay vatsian'ny vondrona Eoropeana vola amin'ny alalan'ny BEI (Banque Européenne pour l’Investissement). Volam-panjakana madidio kosa no ambara fa hanamboarana ny ampahin'ny RN13 izay mampifandray an'Ihosy ka hatrany Betroka izay mirefy 130km. Mikasika ilay fanombohana ofisialy izay hanomboka ny 18 jona izao, fampisehoana sy fety be no hoentin’ny Fanjakana manamarika an’io. Mbola tsy misy asa vita fa vao fanombohana dia efa ny seho ivelany no lasa aloha. Mpanakanto miisa 7 no hanafana ny lanonam-panokafana hatao any Taolagnaro amin’io 18 jona io. Volabe ny fanaramana artista fa tsy hoe: mandehandeha ho azy, ka raha kajiana ambany ho 3 tapitrisa Ar ny iray dia efa mahatratra 21 tapitrisa Ar izany ny fakana mpanakanto fotsiny. Ny fanomanana samihafa tsy resahina, ny fandaniana amin’ny dian’ny delegasionina any mbola resaka hafa indrindra fa hoe: ho avy any ny Filoham-pirenena, ny fanetsehana sy fanofana fiaramanidina,… Sao mba misy endrika fanesoana ny Malagasy ihany ny fandanindaniam-poana tahaka izao? Ny fanangonana artista hampifaly vahoaka ao anaty ora roa sy telo ve sisa vahaolana hiatrehana ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena ka asa mbola tsy vita azy dia efa hanaovana hetsika mipoapoaka ?

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT