FANAMBOARANA NY RN13

Mipasoka ny efa malama ny fitondram-panjakana


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Isan-taona dia misy resaka foana hoe mandroso ny asa amin'ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 13 na RN13.

Ny sabotsy lasa teo izao dia nivoaka indray ny vaovao avy amin'ny minisiteran'ny asa vaventy milaza fa vita ny 52% ny asa fanamboaran-dalana ny RN13 Ambovombe-Taolagnaro. Efa voararaka tara ny 43 km amin'io lalana io, izay lalana mirefy 107 km. Ankoatra an'io dia voalaza fa misy ihany koa ny fanamboarana tetezana telo dia ny ao; Ranomainty, Ankerana, Ranopiso. Ny volana mey 2025 no heverina ho vita ity ampahan'asa ity. Marihina tsara aloha fa ity RN13 ity ilay nanaovan'i Andry Rajoelina vavabe ny 4 oktobra 2020 hoe tsy hanao politika intsony aho raha tsy vita ny RN 13. Efatra taona aty aoriana dia io ampahan-dalana farany fohy indrindra amin'ny lalam-pirenena faha 13 io no mbola atao hirahira, ary nanomboka ny taona 2021 izany. Tsara ho marihina fa ny RN13 dia mirefy 493 km (Ihosy ka hatrany Tolagnaro) mampifandray faritra 3 dia Anôsy, Androy, Ihorombe, mandalo an'Ihosy, Betroka, Isoanala, Beraketa, Antanimora Sud, Ambovombe, Amboasary Atsimo, Ranopiso Manambaro ary Tolagnaro.Ilay miainga eo Ihosy no tena mila fanamboarana goavana ary io no tena andrasanay hoy ny mampiasa iny RN13 iny, fa raha ilay Ambovombe Tolagnaro mantsy no hireharehana fa hoe miroso my asa dia mipasoka ny efa malama ihany. 43 amin'ny 493 km izany no vita tsara hatreto aloha.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT