Fifamoivoizana

Fanamboarana ny RN 13 Tonga eo amin’ny tetezan’i Ranopiso ny "travaux de terrassement"


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Mitohy ny asa fanamboarana sy fanarenana ny lalam-pirenena faha 13 na RN 13 mampitohy an'i Taolagnaro sy Ambovombe izay tanterahan'ny orinasa Colas,

hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy omaly. Efa tonga eo amin'ny tetezan'i Ranopiso ny "travaux de terrassement" sy ny fanamboarana ireo "points noirs" ankehitriny. Mandroso ihany koa ny fanamboarana ny "base vie" sy ny fanaovana ny "terrassement" eny amin'ny "carrière" ary ny fametrahana ny "central d'enrobé" ao amin'ny kaominin'i Manambaro. Ny tanjon'ny minisitera dia ny hahavitan'ny asa ao anatin'ny fe-potoana napetraka sy ny fanarahan'ny orinasa hatrany ny kalitao sy ny fenitry ny fanamboaran-dalana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT