FANAMBOARANA NY LALANA RIP 34

Hiarahan’Ampitatafika sy Ambavahaditokana ny asa


  • Zoma 12 Janoary 2024

Nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera Facebook andro vitsivitsy lasa izay ny filazana fa

noraisin’ny kaominina Ambavahaditokana an-tanana ny fanamboarana ny RIP 34 ao Ankadilalana ao anatin’ny kaominina Ampitatafika raha tokony ity kaominina farany no hanamboatra izany. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao ary fa hiarahan’ny kaominina roa tonta ny manamboatra io lalana io. Ny Ben’ny tananan’ Ambavahaditokana no nanolotra ilay kamiao iray lehibe manao ny asa, izay niaraka tamin’ny vatan-tenany mihitsy tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo raha efa nanolotra kamiao iray tahaka izany ihany koa ny kaominina Ampitatafika. Tsy mora ny manao zavatra hoy Randrianarivony Jocelyn , lefitra voalohan’ny Ben’ny tananan’Ampitatafika. Ny mampalahelo anefa hoy izy dia tena mora amin’ny olona sasany ny manome tsiny fa tsy mba manadihady akory indrindra fa ny fanapariahana izany amin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Miantso ireny karazan’olona ireny mba hanao fanadihadiana araka izany ny tenany vao mamoaka vaovao. Raha araka ny fantatra moa dia mbola haharitra eo amin’ny 4 andro eo ho eo ny asa noho ny fanamboarana ilay tata-drano manakaiky ny lalana sy ny fanotorana izany amin’ny vato toy ny quartz.
Pati
Legende : Tahaka izao ny fizotry ny asa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT