Fanamboarana ny làlana

makany Andramasina


  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

Hanolo-tànana ara-pitaovana ny Faritra Analamanga

Niaraka nifamotoana tao amin’ny Espace SKY LINE Ambohitsoa (Tsiafahy), Ambatofotsy, ireo zanaky ny Distrikan’Andramasina sy ireo mpitatitra ny sabotsy teo. Hetsika lehibe natao teo ambanin’ny lohahevitra momba ny fanamafisana ny ezaka iombonana amin’ny fanarenana ny lalana sy ny fampandrosoana ny Distrika, izay ao anatin’ny Faritra Analamanga no anton’izao fihaonana izao. Anisan’ny làlana tena mampijaly ny làlana mampitohy an’Antananarivo-Andramasina izay eo amin’ny 150km eo. Potika hatry ny ela, tsy nisy fanamboarana, ka niezaka nitady làlana tamin’ny Faritra Analamanga sy ny ambaratongam-pahefana ny Fikambanan’ny Zanaky ny Distrikan’Andramasina (ZADIA) sy ny mpitatitra. « Manoka-baravarana ho an’ny rehetra ny Faritra Analamanga, mijery loko politika na halako bika tsy tiko tarehy fa misokatra amin’ny rehetra rehefa ho an’ny tombotsoan’ny faritra », hoy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga Clémence Raharinirina izay nanome voninahitra ny fotoana niaraka tamin’ireo ekipa teknika maro. Ny faritra no hiantoka ny soavaly na ny « engins » ary ny avy amin’ny distrikan’Andramasina kosa no hiantoka ny vilona (solika). Tsy manara-penitra ireo fitaovana novantanina, fa niezaka namelona sy nampandeha azy ireo ara-dalàna ho azo ampisaina ho azo ampiasaina maharitra ny Faritra Analamanga, raha ny fanamarihany. Saika làlana avokoa no itarainan’ireo ben’ny tanàna 142, ka isan’ny misedra izany ny distrikan’Andramasina. « Tsy dia hoe tetibola mankadiry manao ahoana ny tetibolan’ny Faritra Analamanga. Raha 75 miliara Ar eo ny vinavinan’ny tetibolan’ny Kaominina Antananarivo fotsiny ho an’ny taona 2025, dia antsakak’izay monja mahery kely ny an’ny Faritra Analamanga ho an’ny 2026, saingy mieritreritra izahay fa azo iasana sy hamaliana ary hanaovana tan-tsoroka izany tetibola izany, na dia tsy hahafahana mamaly manontolo, fa asa vadi-drano », hoy ny lehiben’ny Faritra. Eo ny faritra, ny kaominina, ny mponina, ka ny fiarahana mientana no ahafahana mitondra fanavaozana « Fitiavan-tanindrazana mba hahavitan’ny làlana no tanjona, fa tsy misy ambadika politika, ka entanina ny rehetra hifanome tànana amin’ny Faritra Analamanga », hoy ny Mpiara-mitarika ny ZADIA Rabemananjara Roger sy Ravonjinarivo Thomas.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT