Fanamboarana fotodrafitrasa tany Alaotra

Mikolay amin’ny fitakiana ny volany ireo mpandraharaha


  • Zoma 08 Septambra 2023

Ny sabotsy izao no fotoana hitokanana ny làlam-pirenena faha-44 raha ny nambaran’ny filoha efa hiala Andry Rajoelina

ny alarobia teo tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ity làlana ity izay nambarany fa tena nanaovany velirano ny hanamboarana azy, ka nilazany fa efa vita tanteraka. Ny zava-dehibe aloha dia ny fahavitany, fa mbola azo hiadian-kevitra kosa ny hoe: tena ny Fanjakana Rajoelina tokoa ve no angady nananana sy vy nahitana azy io sa noho ny ezaky ny fitondrana tany aloha fa tao anatin’izao fitondrana izao no tena nandeha ny asa noho ny fitohizan-draharaham-panjakana. Samy nandray anjara tao anatin’ny fahavitan’ny RN44 ihany koa ireo Fanjakana nifanesy satria tany alohan’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 no efa nandeha sy vita ny ampahany Moramanga-Marovoay, ary io nitohy taty aoriana io. Ao anatin’izao fifaranan’ny taom-piasan’Atoa Andry Rajoelina izao no handeha ny fitokanana, nisy ny asa vita, fa mbola misy ihany koa anefa ny tambin’ny asa samihafa ataon’ireo mpandraharaha nanao asa tao Alaotra Mangoro. “Telo taona ny asa vita ny vola tsy azo”, “Prezida a! mangataka izahay mba avoahy ny volanay fa maty izahay”, hoy ireo mpandraharaha nanana asa tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Tsy ny any Alaotra ihany, fa niaraha-nahalala ny fitakiana nataon’ireo orinasa mpisehatra tamin’ny asa vaventy an-taonany nitaky ny volany, izay tena nandadilady tamin’ny Fanjakana. Betsaka ireo mpandraharaha tena nikolay tamin’ny fisitrahana ny vola tambin’ny asa nataony raha ny tamin’ity fitondrana ity. Ny zava-bita ireharehana fa ny volan’olona ialana bala?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT