Fifamoivoizana

Fanamboaran-dalana Tsy hajain`ireo orinasa ny bokin`andraikitra


  • Zoma 27 Desambra 2019

Ny 80% amin`ny asa fanarenana amin`izao no vita tanteraka, indrindra amin`ireo toerana nandraisana fimenomenonana avy amin`ny mpampiasa lalana.

Nisy aza ireo nasiam-panavaozana teto an-drenivohitra toy ny fanatsarana ny sisin-dalana ho an’ny mpandeha an-tongotra vita tamin’ny vato nosoloana « béton ». Zava-dehibe sy ilaina ny fametrahana fotodrafitrasa saingy mafy ve izy ireo ? Nitondra fanakianana mivaivay ny SEhatra FAnaraha-maso ny FIainam-pirenena (SEFAFI) noho ny faharatsian’ny lalana sy ny tambajotran’ny fanadiovana any amin’ny kartie eto Antananarivo. Miharihary fa miovaova arakaraka ny orinasa sy arakaraka ny kartie ny kalitaon’ny asa. Angaha samy hafa ny bokin’andraikitra arakaraka ny satan’ny kaominina sy ny boriborintany voakasiky ny asa ? Samy manana ny fomba itantanany ny asany daholo ny orinasa nahazo ny tsena sy ny mpiantoka miaraka aminy. Ny an’ny sasany tena mikorontam-belona, ny sasany kosa manaraka lamina sady hentitra kokoa. Misy sasantsasany efa zatra manao asa tsy andaniam-bola araka izay azo atao ka tsy miraharaha izay kalitaon’ny akora na ny zava-bitan’ny fitaovana ampiasainy. Tsy mahagaga raha tsy voahaja ny tetiandro. Mora be ny karama omena ny mpiasa izay matetika raisina fotsiny tsy misy fanivanana. Ny mpiasa sasany tsy manana traikefa fa zatra fotsiny manao lalotra madinidinika eny dia izay saim-pantany fotsiny no ataony. Porofon’izany ny fametahana ny rarivato izay mitaky fahaiza-manao manokana, hoy ihany ny SEFAFI.  Olana amin’ny tsy fatezan’ny lalana ny tsy fisian’ny fanarian-drano amin’ny sisiny ka mila arenina. Ny fanamboarana ireo lalana no antoka mba tsy hisian’ny fitohanana lavareny eto an-drenivohitra. Tsy ny fotodrafitrasa fotsiny no mahavahaolana fa ny toe-tsaina isam-batan`olona no hahafahana mitondra fiovan`ny firenena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT