Fifamoivoizana

Fanamboaran-dalana Tsy ampy serasera ka be ny fanararaotana


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Mampiteny ny moana ny fahatapahan-dalana vokatry ny fanamboarana eto an-drenivohitra.

 

 

 Mitairaina avokoa na ireo mpampiasa fitateram-bahoaka na mandeha amin`ny fiarany manokana. Ora maro no lany vao tonga any amin`izay alehany ny olona tsirairay sady miteraka fatiantoka ara-toekarena goavana ankoatra ny fahasorenana. Tsy misy filazana na fampandrenesana mialoha ataon`ireo tomponandraikitra na avy amin`ny fanjakana na amin`ny kaominina. Maro no misafidy mandeha an-tongotra mba tsy ho tara. Na sampanan-dalana na koa ireo sakeli-dalana miditra an-drenivohitra tsy lazaina intsony, toa an’Anosizato, Ampitatafika, Anosibe, Ambohitrarahaba, Andravoahangy-Mascar, Ankorondrano,Antanimena. Raha hiakatra any Antanimena dia voatery mihodina mankany Tsaramasay satria tsy azo hifanenana eo amin` ny “rond-point”. Mikorontana avokoa ny fifamoivoizana. Misy tsy mbola misokatra mihitsy. Manampy trotraka ihany koa ny faharatsiany amin`ireny toerana ireny. Etsy an-daniny, ny  tsy fanarahan-dalàna dia manjaka toy ireo fiara vaventy mivezivezy amin`ny andro atoandro. Ny tomponandraikitra koa  tsy mampihatra ny lalàna. Ireo mpitatitra manararaotra ny fitohanana ka afaka mijanona na tsy toby fiantsoana aza. Ny posy sy ny sarety moa dia efa manao izay saim-pantany ka lasa gaboraraka ny fifamoivoizana. Ilaina ny asa fanamboarana saingy mbola ela vao hilamina ny fanarahan-dalàna raha tsy ampy ny serasera ahafahan`ny olona manomana izay tokony hataony.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT