Fifamoivoizana

Fanamboaran-dàlana Nisy fanovana ny fifamoivoizana eny Soanierana


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Mikatona ny ampahan-dalana manomboka eo amin’ny “rond point descours” ka hatreo amin’ny “rond point Gastro Pizza” Sonierana amin’izao fotoana izao.

 

 

Misy ny asa goavana atao eny an-toerana nanomboka omaly, ka ankoatra ny fikitihana ny tambajotran’ny herinaratra nataon’ny Jirama, dia amboarina ny làlana eny an-toerana. Misy ny rahateo ny lakan-drano lehibe havaozina hahafahan’ny rano mikoriana tsara rehefa amin’ny fotoana avy orana satria tena mijaly ny eny an-toerana rehefa tojo izany, ka mba hamahana izay olana izay no handaniana fotoana mihitsy hahafa-manajary araka ny tokony ho izy ny lakan-drano. Tsara ho fantatry ny mpampiasa iny làlana mianatsimo iny izany mba handaminana ny fotoana satria hatramin’ny omaly, dia tsy maintsy lasa“ double sens ” ny fifamoivoizan’ny fiara avy avaratra sy atsimo avy ety amin’ny Passiflore ka hatreny amin’ny Rond Point Gastro Pizza mba hahafahana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa fanamboarana; mikatona tanteraka tsinona ilay arabe manoloana ny Mak Motors. Miteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana io, saingy izay ilay hoe: miaritra kely raha te hanana ny soa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT