Ekena sy iombonan-kevitra fa tsara ny hoe``Manamboatra`` saingy tokony ho hentitra amin`ny fanaraha-maso sy fanatanterahana izany ny mpitondra fanjakana ary tokony hanaporofo kosa ireny orinasa mpanamboatra lalana ireny fa na tsy tena arifomba ny fitaovana eo aminy ary tsy mena-mitaha amin’ny vitan’ny sasany.
Hatreto aloha no hita dia tefy maika, kitoatoa ny fanamboarana ary tsy manaraka fenitra. Tsy vaovao amin`ny kitranoantrano ny fitondrana ary tsy mahagaga raha tsy misy mandeha amin`ny laonina ny asa sy ny fomba fiasa. Momba ny fomba fiasa ohatra dia tsy manaraka rafitra ny fitaovana entin’izy ireo miasa. Ao anatin'ny fanamboaran-dalana tanteraka ny lalam-pirenena RN2 mampitohy an`Antananarivo sy Toamasina ny minisiteran'ny Asa vaventy ankehitriny ary entina hanatsarana hatrany ny fivezivezen’ireo mpampiasa iny lalana iny. Tsikaritra aloha fa eaha sendra alina no manao ny asa ireo orinasa nanankinana izany, tsy ampy ny fitaovana ampiasaina na ny jiro fanazavana ny asa ataony aza, tsy misy na mitsilopilopy. Ny an’ny hafa moa, ny jiron’ny fiarakodiany no manazava ny asa. Ny toerana anaovana ny asa, tsy misy famantarana mialoha mba fampitandremana ny mpampiasa lalana, fa efa antomotra ny toerana vao misy olona mijoro na koa misy zanakazo, hany ka tsy hita tsara satria maizina ny alina. Tsy mahagaga raha peta-toko ny asa vita ka vao nirotsahan‘ny orana dia vao mainka ratsy potika ny lalana. Tsy hay raha ny fanjakana no mandrora mitsilany amin`ny zavatra ataony na ireo mpandraharaha no manao izay mampitarazoka ny fanamboarana mba hahazoana vola kokoa raha mitohy mandava-taona ny asa. Mahazo tombony tokoa ireo mpanamboatra kanefa volam-panjakana no lany tamin’ireny nefa orinasa tsy matihanina akory no nomena ny asa. Efa fantatra rahateo fa hifotoran’ny kolikoly ny fanomezana ny asa fanamboarana ny lalana ao anivon`ny minisiteran’ny Asa vaventy. Tena hihombo hatrany ny fahavoazantsika raha ny hatao rehetra dia ho asa petatoko tahaka izany hatrany nefa ny vahoaka no volosana isan’andro amin’ny hetra.
Fanamboaran-dalana amin`ny simenitra
Natao niavaka ny fanamboarana ny lalana mba tsy hiverimberenan’ny fahasimbana intsony, anisan’izany ny fampiasana vokatra vaovao mahazaka rano. Ho an’ireo lalana feno lavadavaka sy simba matetika izao dia navadika ho « Béton compacté ». Voalaza fa mateza ity vokatra ity noho ny tara satria tsy mora idiran`ny rano sady mora ny manarina azy raha toa sendra fanamboarana. Tsy maintsy dosage 350 kosa ny fetrany, izany hoe lasaka 7`na simenitra miampy akora maro isaky ny m3 kanefa ny lalana amin`ny RN2 iny dia mirefy 357 km. Araky ny manampahaizana manokana amin`ny fanamboaran-dalana dia tsara io teknika io kanefa lafo noho ny tara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.