FANAMBOARAN-DALANA ETSY ANOSIBE

Miteraka fikorontanan’ny fifamoivoizana amin’ny lalana maro


  • Alarobia 08 Janoary 2025

Namboarina nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo ny lalana etsy Anosibe mivoaka Ambilanibe sy

Andavamamba iny. Karazana fiara vaventy maro no tazana mihatrana eny an-toerana manatanteraka izany izay marihina fa tena miteraka fikorontanan’ny fifamoivoizana amin’ny lalana maro eto an-drenivohitra mihitsy. Voakasik’izany ny taxibe 143 mampitohy an’Itaosy sy Anosy izay tsy afaka mandalo eny Anosibe intsony rehefa miverina fa tsy maintsy mandalo any amin’ny Fiaro Ampefiloha hatrany. Toraka izany koa ireo taxibe sasany marobe mampiasa iny lalana iny. Tsy latsa-danja amin’izany ny fitohanana aterak’io asa fanamboaran-dalana io izay mifanandrify indrindra amin’ny fidiran’ny mpianatra. Tonga hatrany amin’ny garazy 67 ha mantsy ny fitohanana ka mila hahalany ora iray vao tafavoaka eny Andavavamba ireo taxibe avy any Itaosy. Velon-taraina vokatr’izany ireo mpampiasa lalana, indrindra fa ny taxibe. Nambaran’ny mpamily iray fa toro 4 isan’andro sisa no vitan’izy ireo hatramin’ny nanombohan’io asa fanamboaran-dalana io raha nahatratra 7 izany teo aloha. Zara raha mahaenjika ny volan’ny tompon’ny fiara izy ireo vokatr’izany. Tsy mbola fantatra moa izay fotoana hahavitan’io asa fanamboaran-dalana eny Anosibe io.
Pati
Legende : Mafy noho ny fitohanana tety Ampefiloha ny eny amin’ny 67 ha amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT