Azo antoka na “garanti”ny lalana izay amboarina eto Antananarivo Renivohitra ary haharitra 30 taona izany.
Eo amin’ny 10 volana kosa ny faharetan’ny fanamboarana, raha nanomboka ny volana jolay 2019 izany ary vinavinaina ho vita any amin’ny taona 2020, hoy ny talen’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny fananjariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, Atoa Rahaingoson Harifidy.
Mizara roa ny fanamboarana
Nambarany fa mizara roa ny fanamboaran-dalana, dia ny « voie prairie urbaine » sy « projet de rue de Tana ». Ny « voie prairie urbaine » dia vatsian’ny « Banque Investisseur Europeanne » na BIE vola ary nisy ny fifanaovan-tsonia. Ny volana martsa 2019 no efa nanomboka ny ara-teknika. Nambarany fa ny RN2 sy RN3, izay miala eo amin’ny PK0 ny fanamboarana dia mandalo Antanimena, Ankadifotsy, Antaninandro, Andravoahangy, Besarety ary mivoaka any amin’ny RN2. Ny RN1 sy RN1S, mialà eo Petite Vitesse, Anosy, Anosibe, Anosizato, Ampitatafika, Antanimenakely, Andranonahoatra ary mivoaka any Ampasika. Ny RN7, izay miainga eo amin’ny PK0, mandalo Anosy, Ankadimbahoaka, Andoharanofotsy, Mandriamena ary ny RN4, miainga eo amin’ny PK zero, mandalo Andraharo, Ambohimanarina, Ambohibao, Imerinafovoany ary Ankazobe ny fanamboaran-dalana. Ny minisitera no tompon’antoka amin’ny fanamboarana fa ny kaominina manodidina kosa no manamora ny fanatanterahana ny asa. Fanavaozana vaovao tanteraka no atao amin’ireo lalana ireo ary hovitaina amin’ny faran’ny volana aogositra ity.
Lalana simba sy misy lavaka
Ny “Projet de Rue de Tana” indray, dia ireo izay misy lavaka sy simba no hanaovana ny fanamboarana eto Antananarivo Renivohitra ary tapenana mba haharitra amin’ny alalan’ny “couche” telo, ka ny fototra dia mirefy 10 ka hatramin’ny 15 sm arahin’ny “gravibutine” ahitana vatokely, rano, tara na godorao ary ny “couche arose” izay mirefy 10 ka hatramin’ny 15 sm koa. Orinasa efatra no manao ny asa sy manome antoka amin’izany. Farany, ny lalana ho an’i Papa na “Route de Papa”, izay miainga eny Tsarasaotra, La City Ivandry. Fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny orinasa io. Miainga eny Androhibe, Soamandrakizay, Ambanidia, Tsiadana, Andohalo, ireo lalana izay handalovan’i Papa François ary hovitaina amin’ny faran’ity volana aogositra ity. Ho vita tsy ho ela ihany koa ny eny Antsofinondry, izay mirefy iray kilometatra. Marihana fa ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra, dia tetibolan’ny minisitera manokana, hoy hatrany ity talen’ny serasera ity.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.