Fifamoivoizana

Fanamboaran-dalana eto Antananarivo Kitoatoa tanteraka


  • Alarobia 24 Janoary 2018

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny faharatsian’ny lalana eto Antananarivo Renivohitra. Tapitra potika sy simba avokoa ny lalana rehetra aleha.

Mody nanamboatra sy nanentsina ny sasantsasany tamin'ireo lavaka ny fanjakana ary hita tokoa fa tefy maika sy vonjy tavan`andro ny fanamboarana. Tsy vao ela akory ny ankamaroan`izy ireo no nanaovana fanamboarana toy ny eny 67 Ha, Ampefiloha, Ambatoroka, Anosimasina Itaosy, Ampitatafika, Ankorondrano… kanefa tsy ampy herinandro dia potika sy rava ary sarotra ampiasaina indray. Vokatry ny fahasimbana anefa, mitohana be tsy misy ohatra izany ny fifamoivoizana.  Voaporofo fa tsy manana politika mazava amin’ny fanatsarana ny tanàna ny fitondrana. Tena loza ho an’ny fifamoivoizana ireny lavaka be ireny satria ankoatra ny fitohanana aterany dia sady manimba fiara no mety hiteraka fandratrana olona mihitsy raha sanatria misy fiara latsaka ao. Andrasan’ny mpampiasa lalana noho izany ny fanamboarana tena matotra ireny fotodrafitrasa simba ireny satria tena iankinan’ny fizotry ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka mihitsy. Aiza ny volan`ny Tahiry Fikojakojana ny lalana (FER) tangosana amin`ny vidin-tsolika no tsy misy fikarakarana ny lalana ? Fa maninona no amin`izao andro fahavaratra izao no manao fanamboarana na dia efa ela aza no hita ny fiforonan’ny lavaka ? Manaraka bokin’andraikitra sy ny lalàna amin’ny fahazoana ny tsenan’asa tokoa ve ireo orinasa mpanatanteraka ? Efa nailika moa ny kaominina koa dia ny fitondrana foibe no tompon’antoka amin’izao fanamboaran-dalana kitoatoa eto izao.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT