Fifamoivoizana

Fanamboaran-dalana eo an-tampon’Itaosy Miandry ny fivoahan’ilay TEF ny kaominina manodidina


  • Zoma 08 Mey 2020

Anisan’ny lalana tena mampitaraina ny rehetra, indrindra fa ireo vahiny ny lalana eo an-tampon’Itaosy miazo ny kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano.

 

 

 

 

Raha araka ny fanazavan-dRatoetrarinanja Jean Louis, Ben’ny tanana ao an-toerana dia efa vita ny appel d’offre mikasika ny asa fanamboarana ity lalana ity. Efa vonona ihany koa ilay orinasa hanao azy saingy mbola miandry ilay TEF na ny titre d’engagement financier miainga avy any amin’ny ministera tompon’andraikitra. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana araka izany ity Ben’ny tanana ity sy ireo mponina ao an-toerana mba hijery akaiky izao asa fanamboaran-dalana efa tokony handeha izao. Miankina amin’io lalana io ihany koa mantsy ny fitaterana ireo marary na mpiteraka tokony hihazo ny CHRD Itaosy. Na izany aza anefa dia tsy mipetra-potsiny ny kaominina fa mitohy hatrany ny asa fampandrosoana. Ho an’ilay lalana mirefy 300 metatra mampitohy ny Fokontany Loharanombato sy Antanjona ohatra dia ny 50 %-n’ny asa no efa vita, asa fanamboarana tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Ny AFD na ny Agence Francaise de developpement no mamatsy vola ny asa, kasaika ho vita tsy ho ela ho tombontsoan’ny mponina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT