Fanamboaran-dalana eny Soanierana

Henjana ny tohamboivoy, tsy fantatra hoe rahoviana no ho vita ny asa


  • Talata 18 Martsa 2025

Mifanontany ireo mpamily nandeha tamin’iny lalana ankadimbahoaka ihazo an’i Soanierana

iny hoe fa misy inona ao aloha ao ? raha ny hita teny antoerana dia misy fanamboaran-dalana eo ampitan’ny Arrêt Descour no mahatonga azy io. Efa nanomboka ny 11 martsa teo ny asa. Isan’ny lalana tena nampitaraina izay nandalo teo izy ity ary efa ela no nanaovana atso avo satria dobo rano io faritra io na dia amin’ny fotoan’ny maintany aza. Ankehitriny anefa dia tapak’evitra ihany ny fanjakana hanao ny asa na dia mbola ao anatin’ny fotoam-pahavaratra aza . Raha ny fijery ny fizotry ny asa eny an-toerana dia mbola ho ela ihany. Mbola vao manala ireo tara amin’ny faritra nisy ilay lavaka tena niteraka ny fahasimbana mantsy ireo mpiasa. Mbola vao ny ilany ankavia ihany koa io nokitihana io fa ny ilany mbola azo andehanana kanefa dia izao efa miteraka fitohanana lavareny izao sahady. Tsy fantatra mazava hoe hafiriana no fe-potoana iainana io fitohanana eny Soanierana io . Ny hany fialazana re dia hoe « Mandrapahavitan’ny asa » , tsy misy ihany koa ny Takelaka milaza ny fiafaran’izany asa izany sy ny orinasa manao azy . ny azo lazaina izany aloha dia ny hoe mitadiava lalan-kafa raha avy aty Ankadimbahaoaka hiazo an’Anosy iny fa sao tara amin’ny fianarana sy ny asa fivelomana eo.
Solotiana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT