Fanamboaran-dàlana eny Ampandrana

Tsy azo aleha manomboka amin’ny 8ora alina


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Nanomboka ny alin’ny 30 septambra teo ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo iarahan'ny

Ministeran'ny Asa Vaventy, ny Faritra Analamanga, ary ny CUA. Ampahan-dalana 20 izay tena mampitaraina no nambara fa hatao ao anatin’ny roa volana, henjehina alohan’ny firotsahan’ny orana, izay toa nezahina nampidirina ao anatin’ny vanim-potoanan’ny propagandy ihany koa, toy ny efa natao talohan’ny fifidianana filoha sy fifidianana solombavambahoaka. Misy noho izany ny fahatapahana làlana⁠ ⁠eo anelanelan’ny kihon-dalana Ampandrana Rasalama, Ampandrana - Bel’Air hatrany amin’ny sampanana makany Ampahibe eo Antsakaviro nanomboka omaly talata, mitohy anio alarobia 2 oktobra, ka hatramin’ny sabotsy 5 oktobra manomboka amin’ny 8ora ora alina.⁠ ⁠Nomena toromarika hiodina hiazo an’i Besarety sy Amparibe ireo ireo fiara rehetra tokony handia iny lalana iny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT