Fifamoivoizana

Fanamboaran-dalana -Atsimondrano Ezahana ambara mialoha ny fanapahan-dalana


  • Talata 04 Jona 2019

Nitondra fanazavana mahakasika ny fanamboaran-dalana amin’ireo lalambe mampitohy an’Iavoloha-Anosy, Anosy-Ampitatafika-Itaosy omaly ny tompon’andraikitry ny serasera nalain’ireo Orinasa 4 miandraikitra izany.

 

 

 

Antony ny tsy maintsy hampahafantarana mialoha amin’ireo mpampiasa ny lalana rehetra sy ny mombamomba izany mba hiomanana ary indrindra tsy hiteraka fahasorenana amin’ny tsirairay. Nilaza izy ireo fa tsy maintsy hisy hatrany ny fahatapan-dalana amin’ny ampahany na ny manontolo mihitsy. Raha mahakasika ny LOT N°3 Iavoloha – Anosy izay mirefy 11Km dia 20%n’ny asa no efa vita ary hatao tara (goudron) manontolo izany ka hitarina 3 ny lalana Anosy-Soanierana. Ovaina rarivato (beton) avokoa ny sisin-dalana ary 1,30m ny sakan’izany, hisy ihany koa ny fametahana takelaby, arofanina sy baorina. Tahaka izany ihany koa ny LOT N°4 Anosy-Ampitatafika-Itaosy mirefy 12 Km izay vao 10%n’ny asa no vita ka hatao lalana 3 ihany koa Anosizato-Ampitatafika. Ankoatr’izay dia hisy ny fandiovana sy fanamboarana ny sisin-dalana Ampasika-Itaosy sy Avarabohitra sy Antanimenakely hatrany Andranonahotra. Izany rehetra izany no tsara ho fantatry ny vahoaka hoy izy ireo ary nitondra ny teny fialan-tsiny ny amin’ny fanelingelenana sy ny vokatra aterak’izany ireo orinasa. Sarotra ny asa hoy izy ireo ary maro ny ratsamangaika tahaka ny kaominina sy ny polisy no efa manao ny ezaka amin’ny fandaminana rehetra. Misy ampahan’asa tsy maintsy hatao amin’ny alina ihany ary haharitra efa-bolana ny fanamboaran-dalana amin’ireo LOT lehibe 2 ireo.

Tsirinasolo

     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT