Fifamoivoizana

Fanamboaran-dalana Andoharanofotsy Ny 50%-n’ny asa no efa vita


  • Alakamisy 06 Aprily 2017

Tonga nijery akaiky sy nanara-maso ny asa fanamboaran-dalana vatsian’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana vola ao Ambohimanala sy Ankadiefajoro izay mampitohy ny fokontany Morarano sy Ambohimanala ny faran’ny herinandro teo ny Ben’ny tanàna ao an-toerana Ranirison Hasina Nirin’ny Aina.

 Fantatra tamin’izany fa ny 50 %-n’ny asa no efa vita ary mandeha araka ny tokony ho izy ny asa. Lalana mirefy 190 metatra lineera  in’efatra no efa vita, toraka izany koa ny lakan-drano mirefy 595 metatra lineera. Afa-po tamin’ny fahavitan’ny asa ny  Ben’ny tanàna amin’ny ankapobeny, lalana izay marihina fa hatao rarivato avokoa. Mitotaly 1.600 metatra lineera izy rehetra. Ezahina hovitaina ao anatin’ny roa volana sy tapany ny asa, lalana izay tsiahivina fa hampiasain’ny mponina avy any Ankadivoribe ihany koa hamonjeny ny lalam-pirenena fahafito. Miantso ny vahoaka mba hanaraka  ny fandaminana ny Ben’ny tanàna hanafaingana ny asa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT