Fifamoivoizana

Fanalefahana ny fitohanana Hidina ifotony hitety ny renivohitra ny polisy


  • Talata 14 Septambra 2021

Mahazo vahana tanteraka ny fitohanana eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fidiran’ny mpianatra izao.

Tsy misy izay toerana tsy ahitana izany na andro na alina. Manoloana io tranga io dia fantatra fa hifanome tanana ny polisim-pirenena sy ny polisy kaominaly ary ny fiaraha-monim-pirenena entina hamahana izany. Hanomboka ny 14 septambra ho avy izao ny hetsika izay hitetezana ireo Boriborintany miisa 6 mihitsy. Tafiditra ao anatin’ny hetsika hataon’izy ireo ny fanitsiana sy fampianarana ireo mpamily mihoam-pefy ka hanoroana azy ny lalana mifehy ny fifamoivoizana. Toraka izany koa ny gaboraraka etsy sy eroa ka hijerena indray ireo parking nipetra-potsiny hatramin’izay hahafahan’ireo fiara miantsona etsy sy eroa maka ny toerany. Izany no hatao moa dia entina hisorohana ny fahataran’ny mpianatra sy ny mpiasa handeha hamonjy ny sekoly sy ny fianarana. Ho voakasika avokoa moa ireo faritra menan’ny fitohanana eto an-drenivohitra toy ny Ampasamadinika, Antanimena, Ankadimbahoaka miazo an’i Tanjombato.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT