Fifamoivoizana

Fanalefahana ny fifamoivoizana Raikitra ny “double voie” amin’ireo lalana be fitohanana


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Tena mahazo vahana tanteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao.

Ho fiatrehana izany dia fantatra fa hisy ny fanaovana " lalan-droa " (double voie ) ireo lalana hita fa tena ahitana izany eto Antananarivo. Manomboka amin'ny 06 ora maraina dia ho lasa lalan-droa, ny lalana eny Ampitatafika hihazo an'Anosizato . Manomboka amin'ny 04 ora tolakandro izay fodian'ny mpiasa sy ny mpianatra kosa dia ny avy any Anosizato indray no lasa lalan-droa raha hivoaka ho any Ampitatafika ireo mpampiasa lalana. Ho an'ny lalana eny Ampasika ihany koa dia manomboka amin'ny 06 ora maraina dia ho lasa lalan-droa izany ho an'ireo fiara avy any Itaosy hiditra an'Antananarivo renivohitra. Manomboka amin'ny 06 ora sy 30 maraina ihany koa dia ho lasa lalan-droa koa ny lalana eny Analamahitsy izay hanalefahana ny fitohanan'ny fifamoivoizan' ireo fiara avy any Ilafy hihazo an'Antananarivo. Manomboka amin'ny 04 ora hariva indray dia ny fiara rehetra avy any Ambohitrarahaba manaraka ny lalana mivoaka ny bassin no ho lasa lalan-droa. Izany no hatao dia hisorohana ny fahataran’ny mpianatra sy ny mpianatra izay arahin’ny rarintsaina tena goavana ateraky ny fitohanana tokoa.
Nangonin’i Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT