Fifamoivoizana

Fanajana ny lalŕna mifehy ny fifamoivoizana Nihemotra ny kalitaon’ny fitaterana teto an-drenivohitra


  • Sabotsy 18 Martsa 2017

Nisy fihemorana ny fanajan’ny ankamaroan’ireo mpitatitra teto an-drenivohitra ny lalŕna mifehy ny fifamoivoizana.

Nandritra ny fanadihadiana notanterahin’ny ONG Lalana tao anatin’ny enina andro no nahafantarana izany ka fiara taksibe miisa 787 amin’ireo zotra be mpampiasa indrindra eto an-drenivohitra no nanaovana ny asa. Nambaran’Andriamatoa Jean Razanamparany Claude, filoha lefitry ny ONG Lalana fa nihena ny kalitaon’ny fanajana ny olona, ny fiaraha-miaina amin’ny mpandeha. Tafiditra ao anatin’izany ny fahalalam-pomba, ny fahadiovan’ny mpitatitra sy ny mpamily. Niakatra kosa ny kalitaon’ny fiara nampiasain’izy ireo. Na teo aza ny fihemorana dia ny kaoperativa KOFIA manao Zotra 172 mampitohy an’i 67 ha sy Mandrimena no voalaza fa mendrika indrindra tamin’ny fanadihadiana natao ka notolorana ny mari-pankasitrahana mifandraika amin’izay omaly. Nisy ihany koa ny mari-pankasitrahana natolotra ireo zotra sasany toy ny kaoperativa Tselatra zotra 178 sy CAT zotra 183 izay marihina fa efa miezaka miroso hatrany amin’ny fanajana ny kalitaon’ny asa fitateram-bahoaka ankehitriny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT