Fifamoivoizana

Fanairana amin’ny lozam-pifamoivoizana Mikarakara diabe am-pahanginana ny “Media Project”


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Be loatra ireo olona namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teto amintsika. Nahatratra 150 tamin’ny taon-dasa.

 Mateti-pitranga ny eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahafito. Mba hahafahana manentana ny olona sy hisorohana amin’ny lozam-pifamoivoizana matetika dia hanatanteraka hetsika “stop accident” amin’ny alalan’ny diaben’ny fahanginana ny Media Project, fikambanan’ireo tanora Malagasy misehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona sy ny minisiteran’ny Fitaterana. Ny sabotsy 22 septambra ho avy izao no hanatanterahany izany, antony hisian’ireo ampahan-dalana ho tapaka eto an-drenivohitra, hoy Rakotondrabe Dinasoa Voninjara, tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hanomboka amin’ny 10 ora latsaka fahefany maraina ny hetsika, hifarana amin’ny 12 ora antoandro manomboka eny Ankorondrano misy ny fiangonana Jesosy Mamonjy, handalo an’Ankazomanga, Behoririka, Analakely ary hifarana eny  amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tanjon’ny mpikarakara ny hanaitra ny daholobe amin’ny tokony hitandroana ny aina, indrindra ho an’ireo mpandeha an-tongotra. Lahitokana mantsy ny aina ka tsy hananam-piry.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT