Fanahazam-bary amin’ny lalam-pirenena

Nohamafisina fa voararan’ny lalana


  • Zoma 26 Aprily 2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Ankoatra ny lalam-baovao miazo an’Ambohitrimanjaka iny dia rakotra izany ny lalam-pirenena fahafito, antony manosika ny mpitandro ny filaminana handray ny andraikiny hisorohana ny loza mety hitranga. Nambaran’izy ireo fa natokana hivezivezen’ny mpampiasa lalana sy ny fitateran’entana ny lalam-pirenena. Natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dalana noho izany diav oararan’ny lalana sy mahavoasazy ny manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena sy eny amin’ny sisin-dalana. Voarakitra ao anatin’ny hitsivolana faha-60-166 tamin’ny 03 oktobra 1960 ny tsy fahazon-dalana manao izany. Tsy azo ampiasaina ny sisiny 20 ka hatramin’ny 30 metatry ny lalam-pirenena sy ny lalam-paritany mba ho fiarovana ny lalam-pirenena misy eto Madagasikara, sy hanamafisana ny filaminana eny amin’ny lalam-pirenena. Toraka izany koa ny fiarovana ny ain’ireo olona mipetraka manamorona ny lalam-pirenena. Miantso ireo tantsaha tsy hanaha vary eny amin’ny sisin-dalana sy ny lalam-pirenena intsony noho izany ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Fady sy tsy azo hatao mihitsy ny manahy vary amin’ny lalana tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT