Fifamoivoizana

Fanagiazana sarety entin-tànana Raikitra ny sakan-dàlana teny Ampasika


  • Zoma 30 Septambra 2022

Nafampana ny fanoheran’ny olona teny Andohapanaka sy Ampasika ny fanagiazan’ny polisy monisipaly ireo sarety tarihin-tànana omaly. Nosakanan'ny olona ny lalana mihazo an'Ampasika manomboka eo amin'ny arrêt bus 30 vao antsasakadiny teo izay.

Nalain'ny polisin'ny kaominina mantsy ireo sarety 4 nitondra tany ka tezitra ny olona ary nirohotra nanakan-dalana. Sarety am-polony no noraofina, itakiana kaominina vola hatrany amin’ny 4 hetsy Ariary isaky ny sarety izahay hamoahana izany, hoy ireo mpitarika sarety. Raikitra ny tora-bato rehefa nandalo ny fiaran’ny polisy monisipaly, ka lehilahy iray no voasambotra vokatr’izany. Misy manana sarety efa tamin’ny 2021 no nogiazana, kanefa mbola tsy nivoaka hatramin’izao, tsy mahita vola hakana azy intsony. Sarety nitaona tany ireo nogiazana, saingy nanampy ireo mpitarika sarety ny vahoaka. Nitangorona nanakan-dàlana ny vahoaka, hany ka tonga ny mpitandro filaminana nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso. “Miala Rajoelina”, hoy ny horakoraky ny mponina, izay nitaky ny hamoahana ireo sarety. Ireny no mba miantoka ny fivelomanay sy ny fitadiavanay, làlana sy efitrano no totoranay satria efa fantatray fa tsy azo totorana ny renirano, hoy ireo mpitarika sarety. Samy manana ny ambarany moa ny olona eo anatrehan’ny zava-misy, ka ao ny maneho fa aleo izy hivelona, ary tsy ampahafirin’ny fanotorana tany gaboraraka ataon’ny manan-katao ny fikaraman’izy ireo mitaona tany. Maro ihany koa anefa ny mimenomenona amin’ny afitsok’ireo mpitarika sarety amin’ny lafiny fifamoivoizana, ary mampahatsiahy, fa misy lalàna momba ny ora ahafahan’izy ireo miasa, saingy tsy voaahaja intsony.
TSY MAINTSY HIADIANA NY MPANAO “REMBLAIS” …
Tao amin’ny pejy Facebook-ny kosa no nanehoan’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina fa “tsy maintsy mitohy ny ady amin’ny «Remblais» tsy manara-dalàna. Sarety 4 mitatitra rano tany tsy nahazoana alàlana no nosamborin’ny polisy monisipaly. Tsy nanaiky ireo olon-dratsy ary nitarika savorovoro. Niverina tamin’ny laoniny ny filaminana eny amin’ny faritra 67 ha Atsimo tao aorinan'ny nahatongavan'ny polisim-pirenena”. Maro nanakiana ny benin’ny tanàna tamin’ilay hoe: “olon-dratsy” ka novainy izany. Misy ny naneho fankasitrahana eo anatrehan’ny ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna, fa maro ihany koa ny fanamarihana hoe: ny madinika ihany no hatao maty henjika fa ny karana afaka manao izay tiany hatao. Ankoatra izay misy hatrany ny pimaso amin’ny taxi-moto izay tsy ara-dalàna ataon’ny ben’ny tanàna, ary tsy misy fanenjehana, fa ny sarety kosa hatao hazalambo? Rehefa iza no henjehina dia rehefa iza no tsy henjehina na samy tsy ara-dalàna izao aza ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT