Fifamoivoizana

Fanafihana taksibrosy –RN7 Polisy iray maty rotiky ny bala


  • Alatsinainy 27 Febroary 2017

Nandriaka indray ny rŕ. Nitrangana fanafihan-dahalo namoizana ain’olona indray tamin’ny lalam-pirenena fahafito iny, ny alin’ny zoma hifoha ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny roa ora maraina, teo anelanelan’ny Camp Robin sy Ambohimahasoa (10 km miala an’i Camp Robin mianatsimo hiditra an’ Ambohimahasoa).

Taksiborosy sprinter iray an’ny Koperativa SOATRANS mampitohy an’ Antananarivo sy Toliara no notafihana jiolahy manodidina ny 15 isa eo izay nitam-basy avokoa .  Nosakanan’ireo jiolahy ny lalana, ary nokendren’izy ireo tamin’ny tifitra ilay mpamily mba hampijanona ilay fiara, saingy polisy iray miasa ao Toliara izay isan’ny mpandeha tamin’ilay taksiborosy nipetraka tao aorian’ny saofera anefa no voatifitra ka maty tsy tra-drano. Mpandeha enina hafa kosa naratra mafy, ary mbola misy iray miady amin’ny fahafatesana amin’izao manaraka fitsaboana. Noraofin’ireo mpanakan-dalana avokoa ny vola sy findain’ireo mpandeha rehetra, ary norobain’ ireto malaso ny entana izay zakan’izy ireo. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo nanatri-maso sy niharan-doza, dia nandeha irery ity fiara ity satria tsy naharaka ka nilaozan’ny namany. Taorian’ny fanafihana nisy, dia niainga avy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny zandary nanakaiky ny toerana nisehoan’ny fanafihana, ka olona roa no efa voasambotra amin’izao.


  Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT