Fifamoivoizana

Fanafihana Taksibrosy Ny tena zava-misy marina


  • Talata 22 Aogositra 2017

Mihamahazo vahana hatrany ny fanafihan-jiolahy any amin’ny lalam-pirenena amin’izao fotoana izao.

Lohalaharana amin’izany ny any amin’ny lalam-pirenena fahafito izay efa nahafatesana olona vitsivitsy mihitsy. Raha ny resaka nifanaovana tamin’ireo tompon’andraikitry ny koperativa sy ireo mpamily mampiasa iny lalana iny dia hatramin’ny nisian’ireo zandary manaraka ireo taksibrosy no tena nampasiaka ireo dahalo ireo noho ny antony tsy fantatra. Manao andiany hatramin’ny 80 isa izy ireo rehefa mivoaka ny tanana izay notsindrian’izy ireo manokana fa monina iray na roa km miala ilay toerana hitrangan’ny fanafihana ihany fa tsy lavitra akory.

VOAVELIN’NY FAMAKY NY LOHANY

Anisan’ny niaina izany Atoa Jaona, mpamily ilay fiara Sprinter ao amin’ny koperativa FIMPIMA hihazo an’i Manakara voatafika tao amina tanàna iray 4 km tsy hidirana an’i Camp-Robin ny alakamisy nifoha zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. Raha ny fanazavan’ity raim-pianakaviana ity  dia vokatry ny elanelana lavitra loatra manodidina ny  200 m nisy teo amin’ilay fiara nentiny sy ireo fiara maromaro nisy ireo zandary lasa teo alohany no nahatonga izany. Efa nisy ihany ny caravane nataon’izy ireo izay misy fiara taksibrosy 10 ka hatramin’ny 20 isa isaky ny andiany saingy nandeha mafy loatra ireo teo alohany ka tavela izy ireo. Taraiky kely tany aoriany ihany koa anefa ilay caravane faharoa ka izy ireo no nifatraran’ny rihitra. Nisy casseur de vitesse  ka voatery nampihena ny hafainganam-pandehany izy. Vao afaka anefa izay, hoy Atoa Jaona dia nirarakopana ny tora-bato izay mbola niampy barrage vatobe goavana ihany koa. Niezaka ny niala tamin’izany anefa ilay fiara taxi-brousse iray taorian’ity voatafika ity ka nivadika ary dia lasan’ireo dahalo tamin’izany ny lela-vola manodidina ny 1 200.000 Ar. Ho an’ilay Sprinter nentin’Atoa Jaona kosa raha araka ny fitantarany dia tsy maintsy nijanona ka nivoaka izy. Mbola nihamafy ihany raha araka ny fanazavany ny tora-bato nandritra izany ka olona dimy izy ireo no naratra mafy. Ho azy manokana dia novelesin’ireo jiolahy tamin’ny famaky ny lohany noho ny fiarovany ireo mpandeha tao anatin’ny fiara nentiny. Potiky ny vato ihany koa  ny fitaratra teo amin’ny varavarana nisy azy sy ny tany aoriana ka nanjaka tanteraka ireo jiolahy. Efatra mirahalahy izy ireo raha araka ny fanazavany nitondra basy, famaky kely ary kibay. Vola mitentina 150.000 Ar no lasan’ireo jiolahy tamin’izany, niampy finday sy pôketran’ireo mpandeha. Nomarihin’Atoa Jaona moa fa tonga nanaraka avy aoriana ilay caravane taorian’izy ireo fotoana vitsy monja ka izay no nahaafaka azy. Na izany aza dia voatery naiditra hôpitaly tao Camp-Robin izy sy ireo olona efatra nentiny vokatry ny ratra mafy nahazo azy ireo.

VAHAOLANA AROSONY

Anisan’ny vahaolana aroson’Atoa Jaona araka izany ny amin’ny tokony hikajian’ireo mpanao caravane ny hafainganam-pandeha ho 60 km isan’ora hatrany. Efa tsara hoy izy ny fisian’ny zandary manaraka ireo taksibrosy saingy tokony hojerena ihany koa ny tanjaky ny fiara tsirairay avy mba tsy hahavery ny sasany. Manome soso-kevitra ihany koa izy ny amin’ny tokony hanajan’ny mpandeha ny ora fiainga isaky ny amin’ny 03 ora folakandro etsy amin’ny Fasan’ny karana hisorohana ny tranga tahaka izao. Tara ora iray mantsy izy ireo tamin’io fotoana nisehoan’ny fahafihana io. Ho azy manokana moa dia nomarihiny fa zary taitaitra sy matahotra hatrany izy hatramin’ny nisedrany iny fanafihana iny eny fa na dia ireo entana halatsaky ny mpandeha ao anaty fiara aza.

KOPERATIVA FIMPIMA

Ho an’ny koperativa FIMPIMA kosa indray raha araka ny fanazavan’Atoa Patrick dia anisan’ny fepetra efa noraisin’izy ireo ny fanajanonana avy hatrany ny mpandeha raha vantany vao tara ny fiaingana amin’ny 03 ora izy ireo, tsy misy saran-dalana miverina. Ny ankoatra izay hoy hatrany ity Raim-pianakaviana ity dia ny fanaovana tatitra any amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny mpitandro ny filaminana no hany azon’izy ireo hatao. Nomarihin’Atoa Patrick moa fa ho an’ireo taxi-brousse miazo ny Faritra Atsimo sy ny Atsimo Atsinanana dia tsy afaka mandeha atoandro izy ireo fa tsy maintsy amin’ny 03 ora hatrany vao afaka miainga. Saika isan-kerinandro anefa  no hiharan’ny asa  fanafihana izy ireo ary efa nisinisy ihany ireo namoy ny ainy tamin’izany hoy hatrany izy. 

ZANDARY

Milaza efa manana ny paikadiny isorohana sy iatrehana ny fanafihan-jiolahy sy fanakanana taksibrosy eny an-dalana ihany koa ny zandarimariam-pirenena, araka ny resaka nifanaovana tamina tompon’andraikitra iray tao amin’ny Toby Ratsimandrava. Tsy dia fanao loatra moa ny mamoaka izany paikady izany, hoy izy saingy ny azo ambara kosa dia misy ny mpitandro filaminana manaraka ny taksibrosy, ary misy ireo andiany hafa mivezivezy amin’ny lalam-pirenena sy amin’ireo faritra sokajiana fa “faritra mena”.zava-dehibe ihany koa, hoy izy ny fanarahan’ny koperativa sy ireo mpamily ny toromarika omena azy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT