Fanafihana fiara tao Analavory

Maty ny iray tamin’ireo dahalo


  • Zoma 04 Jolay 2025

Nitrangàna fanafihana fiara omaly maraina tao Analavory, Kaominina Beravina,

Distrikan’i Morafenobe, Faritra Melaky. Fiara ana sampana tsy miankina na ONG iray niainga tao Maintirano hihazo an’i Tsiroanomandidy no notafihin’ireo dahalo izay nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy, sabatra ary lefona, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Nisy Polisy nanaraka tao anatin'io fiara io ka nirotsaka an-tsehatra niezaka nifehy ny toe-draharaha vantany vao nahita ireto olon-dratsy mpanakan-dalana sady efa nitifitra sy nitora-bato. Raikitra ny fifanjevoana sy fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Maty ny iray tamin’ireo dahalo ka vaky nandositra avy hatrany ny ambiny. Basy iray nampiasain'ireo dahalo no azo nandritra ny fifandonana ary mitohy hatramin’izao ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ireo dahalo tafaporitsaka, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT