Fifamoivoizana

Fanadihadiana ny loza an-dranomasina eto Madagasikara Hampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena


  • Talata 08 Aogositra 2017

Nanomboka omaly ary tsy hitsahatra ny hanao atrikasa hijerena izay hahafahana manatsara ny lalàna mifehy ny fanadihadiana ireo loza an-dranomasina eto amintsika etsy amin’ny DLC Anosy hatramin’ny 18 aogositra

izao ireo misehatra amin’izany manerana ny nosy. Tonga eto an-toerana moa amin’izao fotoana izao ny solontena avy eo anivon’ny OMI na ilay rafitra iraisam-pirenena  misahana ny ranomasina hiara-hidinika ny momba izany hahafahana mampifandrindra ny lalàna mikasika izay fanadihadiana amin’ny loza an-dranomasina eto amintsika izay amin’ny fenitra iraisam-pirenena. An’arivony latsaka kely, raha ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitry ny APMF na ny rafitra misahana ny resaka ranomasina eto amintsika, Ahmad Joseph, ireo sambo mihaodihaody eto amintsika isan-taona ary misehatra amin’ny lafiny ara-barotra avokoa ny 98%ny. Loza niisa 55 kosa no nitranga tao anatin’ny 10 taona farany ary 218 ireo olona maty sy tsy hita popoka vokatr’izany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT