Fifamoivoizana

Fampirantiana jiro eny Antaninarenina Amin’ny 03 janoary 2023 vao hisokatra ireo lalana tapaka


  • Talata 20 Desambra 2022

Ankoatra ny hazo Noely dia anisan’ny manamarika ny fetin’ny Krismasy tahaka izao ny fisian’ireo karazana jiro mandravaka ny tanana.

Ho an’ny etsy Antaninarenina manokana dia efa nanomboka tamin’ny herinandro teo ny fandravahana ireo zava-maniry sy hazo misy eny an-toerana raha efa nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo kosa ny fahatongavan’ny olona naka sary teny an-toerana. Toraka izany ihany koa ny fahafahan’ny rehetra mijery izany jiro izany raha vantany vao manomboka ny amin’ny 06 ora hariva. Voatery nandray fepetra mifanaraka amin’izany araka izany ny kaominina Antananarivo renivohitra ho fanomezan-danja ity fampirantiana jiro karakarain’ny fiadidian’ny Repoblika ity. Amin’ny 03 janoary 2023 ho avy izao vao hiverina hisokatra ireo karazan-dalana notapahana nanomboka tamin’ny Zoma. Anisan’ireny ny eny amin’ny avenue revolisionera sosialista manoloana ny banky BFV, Ambohitsirohitra, ny lalana Rainilaiarivony, manoloana ny hotely le Louvre sy ny ministeran’ny toe-karena sy ny vola, ary ny lalana Ratsimilaho manoloana ny paositra sy ny buffet du jardin izay samy eny Antaninarenina avokoa. Tsy maintsy mitady toeram-piantsonana hametrahany ny fiarany araka izany ireo fianakaviana hitondra ny zanany hijery jiro eny an-toerana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT