Fifamoivoizana

Fampihenana ny rano be eny amin’ny Petite Vitesse Diovina ny “Grand chenal” etsy amin’ny “Madarail”


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Minitra vitsy aorian’ny filatsahan’ny orana dia efa mikaikaika ny mponina eny amin’ireo faritra iva eto an-drenivohitra amin’ny fiakaran’ny rano maloto.

 

Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) dia ny fahazaran-dratsy ataon’ireo mponina, izay manary fako any anaty lakandrano ihany no tena manentsina sy manohintohina ny fikorianan’ny rano. Hita izany taorian’ny fanadiovana ireo lakan-drano tao amin’ny Madarail nanomboka ny talata 15 janoary ka tsy hifarana raha tsy afaka 15 andro noho ny hamafin’ny asa. Ao amin’ny “Madarail” moa dia misy ny “Grand Chenal”, lakandrano lehibe hivarinan’ny rano maloto avy any amin’ny Petite Vitesse sy ny manodidina ary mamarina izany any amin’ny lakandranon’Andriantany. Rehefa tsentsina izy ity dia tsy mikoriana intsony ny rano, ka izay no nahatonga ny fiakaran’ny rano eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fanadiovana ireo lakandrano hafa toy ny eny Ambodin’Isotry, Andranomanalina, Mahavoky ary Besarety sy ny manodidina. Ny CUA sy Apipa ary Samva moa no miara-miombona amin’izany, raha ny voalaza hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT