Fifamoivoizana

Fampidirana bus be 1000 Mbola tsy mazava, tsy misy tokontaniny


  • Alakamisy 24 Novambra 2022

Fiara marika sinoa “yutong 6729” ilay karazana fiarabe manara-penitra nampanantenain’ny Fanjakana fa hafarana sy nolazaina ho tonga mialohan’ny faran’ity taona 2022 ity.

Taorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika moa nipoiran’ity resaka ity rehefa nandeha ny adihevitra momba ny fiakaran’ny saran-dàlan’ny taksibe. Ny Filoham-pirenena mivantana no niresaka sy nampanantena ity tetikasa ity, ary efa noresahina tany anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. 80 tapitrisa Ar eo ny iray amin’izy ity. Rehefa nanontaniana kosa ny mpandraharaha sasany amin’ny sehatry ny fitaterana dia tao ny gaga sy sanganehana hoe: fa ahoana marina ny fandehany? Voalaza mantsy fa dia mila mandoha vola aloha izy ireny izay vao mandeha ny kaomandy. Rehefa zohiana izany, ireo mpandraharaha no harisika hamoaka vola sy hiditra amin’ilay fandraharahana hampiasa ity karazana fiara be ity raha noheverina fa ny Fanjakana no hividy sy hifanaraka amin’izy ireo amin’ny famerenana tsikelikely? Ny mpandraharaha izay resy lahatra no hamoaka vola dia ny Fanjakana no hirehareha ka ny zava-dehibe dia ny hoe: ireo fa misy tokoa ilay bus be? Hatreto, tsy mbola tena misy tokontaniny firy ity fanafarana ity ka asa hoe: ho tonga mialohan’ny faran’ny taona tokoa ve satria 38 andro sisa dia hifanarana ny taona 2022? Mbola baraingo ihany koa ny resaka fotodrafitrasa sy ny fandaminana ny tanànan’Antananarivo ankoatra ny hoe: tena mifanaraka amin’ny Renivohitr’I Gasikara ve ity endrika fitateram-bahoaka iray ity? Ny làlana mbola maro no tsizarizary hatreto, ny fitohanana ankehitriny manao ny ataony noho ny tsy filaminan’ny tanàna.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT