Fifamoivoizana

Fampiakarana saran-dalana Tsy mitovy hevitra ny koperativa sy ny ministera


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Tsy mitovy hevitra ny Koperativa sy ny Ministeran’ny Fitaterana mikasika ilay fampiakarana saran-dalana izay efa nokasain’iretsy voalohany notanterahina nanomboka ny alatsinainy teo.

Taorian’ny fivoriana niarahan’ny ministera tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny kaomisiona natsangana mba handinika izany mantsy dia nisy indray omaly ny fihaonan’ireo tompon’andraikitry ny fitaterana tamin’ny Ministera. Toa fotoana very fotsiny anefa izany fihaonana izany. Tsy nisy mihitsy mantsy ny fanapahan-kevitra tapaka. Raha araka ny lalana anefa hoy ireo solontenan’ny mpitatitra dia manan-jo feno hampiakatra na hampidina saran-dalana ireo mpitatitra. Mbola nodradradrain’izy ireo ihany koa fa tamin’ny volana jolay izy ireo no efa nieritreritra ny hampiakatra saran-dalana raha tamin’ny taona 2013 no nisy farany izany. Tao anatin’izay fotoana lavabe izay anefa hoy izy dia efa nahatratra hatrany amin’ny 26% ny fiakaran’ny vidin-tsolika ankoatra ny fiakaran’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara. Tsiahivina moa fa mahatratra 7000 hatreto ny isan’ireo fiara taxi brousse mivondrona ao amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly. Ho an’ny tobim-piantsonana iray monja dia miisa 100 ireo olona hampiasainy raha kely.
Pati
Legende : Tsy nahomby ny dinika natao teto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT