Araka ny toromarika voaray tamin'ny ATT dia namafisina ny fandaminana momba ireo fiara fitateram-bahoaka mampifandray ny faritra Itasy sy Analamanga
. Ny taxibe avy aty Analamanga izay faritra misy valan'aretina dia tsy mahazo miditra ny faritra Itasy. Ny zotra rezionaly dia miasa fa hajaina ny isan` olona 3 isaky ny “banquette” raha “mazda” na “Toyota” ny fiara. 4 kosa ho an` ireo fiara “sprinter” ka mpandeha 1 ihany eo amin` ny seza manakaiky ny saofera. Eo Ambatomirahavavy kosa no fijanonana farany ny fiara avy any andrefana. Natao ireo fepetra ireo mba ho fisorohana ny fiparitahan'ny tsimok'aretina coronavirus na ny an'ny mpandeha na ny an'ny fiara. Samy misedra olana ny vahoaka noho ny zava-misy ka izao no vanim-potoana hifampitsinjovana hoy ny teo anivon` ny faritra Itasy. Noho izany, tsy azo atao ny mampiakatra ny saran-dalana. Misy tokoa ireo mpitatitra no manararaotra izao zava-misy izao. Ireo fiara mpitatitra Arivonimamo-Imerintsiatosika dia mampiakatra avo roa heny ny saran-dalana. Raha 1 000 ariary izany dia 2 000 ariary amin` izao. Misy ihany koa no tsy manaraka ny fepetra fa fenoina ho mpandeha 4 ihany eo amin’ny “banquette” iray amin` ireo minibus. Any Soavinandriana dia 5 000 ariary ny saran-dalana miala eo amin` ny toby fiantsoana ary 2 na mpandeha 3 isaky 'ny “banquette”. Voahaja ny fepetra. Fa rehefa eny an-dalana dia mandray olona ihany ireo fiara ka lasa miisa 5 mihitsy isaky 'ny “banquette”. Manolona izany dia ireo izay mahita fampiakarana saran-dalana ataona taxi-brousse na koa fihoaram-pefy dia hasaina hiantso ny laharana 034 05 529 61.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.