Fifamoivoizana

Fampanarahan-dalàna ny “taxi-moto” Nitsangana ny “Association Kodiaran-droa”


  • Alakamisy 17 Martsa 2022

Nampahafantarina omaly ny fitsanganan’ny fikambanana antsoina hoe “Kodiaran-droa”. Manana ny “recépicé” ara-dalana sy sata mifehy azy izy izao, hoy ny filohany, Fulgence Ramamonjisoa.

Neken’ny prefektiora nanomboka ny 14 febroary 2022 teo fa ity no rafitra ara-dalana mifehy azy, hoy izy. Ity no irosoana amin’ny sehatry ny ara-dalana ho an’ireo fihariana amin’ny alalan’ny kodiaran-droa. Sarotra tsinona ny miteny hoe “taxi-moto”. Mivelatra be izany. Ny kodiaran-droa dia natao hitaterana olona miisa 2. Maro ny tanora tsy an’asa ary isika tao anatin’ny valanaretina. Betsaka ny orinasa nikatona. Maro ny very asa dia io no hita fa ahafahana manampy ireo tanora tratran’izany rehetra izany. Ho atolotray eo anivon’ny lalana ary enjehinay amin’ny lalana ihany koa ireo izay mitonona ho ara-dalana nefa tsy anatin’izao rafitra izao. Hiara-kiasa amin’ny mpitandro filaminana koa izahay mikasika ny fiantohana ny fandriampahalemana ho an’ireo mpanjifa satria iaraha-mahalala ny lazan’izany eo amin’ity tontolo ity saingy tsy tomponandraikitra momba ireo tsy anaty rafitra kosa anefa izahay satria misy “code barre” ny karatr’ireo mpikambana ato aminay, hoy hatrany ny fanazavana mikasika izay tontolon’ny “Taxi-moto” sy kodiaran-droa izay. Etsy 67ha moa no misy ny biraon’ny kodiaran-droa, hoy ny fanamarihana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT