Fifamoivoizana

Fampanantenana asa maika eto Iarivo Ampahan-dàlana sy fihaonan-dàlana 13 hamboarina


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Nohamafisina tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra omaly ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana natao tamin'ny herinandro lasa,

dia nankatoavana ny fampiasana dingana maika (procédure d'urgence) amin'ny tsenan'asam- panjakana, mikasika ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo. Nambara fa mifanaraka amin'ny voalazan'ny didy aman-dalàna manan-kery, ny didim-panjakana If: 2022-800 tamin'ny 01 Jona 2022 ao amin'ny andininy faha-5, izay milaza fa fanapahan-kevitry ny Filohan'ny Repoblika na ny Governemanta no manasokajy ny maha-maika ny asa io. Tsy vao sambany no nilazana asa maika fa efa tany amin’ny 5 na 6 volana lasa no efa namoahana lisitra asa maika hatao ka tsy handalo an-tanan-tohatra amin’ny tsenam-baro-panjakana, ka anisany ireo làlana eto Antananarivo. Efa tany amin’ny fihibohana 2020 aza no efa nisiana fampanantenana fa hotapenana ny lavadavaka amin’ny làlana eto amin’ny firenena. Nohampangain’ny Minisitry ny asa vaventy teo aloha Hajo Andrianainarivelo ho nanakana ny famoaham-bola ny Filoha sy ny Praiminisitra. Tsy niandry ela, fa taorian’izay ny filankevitry ny minisitra, ka nivoahan’ireo lisitry ny asa nambara fa hatao. Ho an’ny eto Antananarivo, miisa 13 ireo nambara fa hatao, araka ny tatitra omaly. Mbola mandeha ihany aloha izany ny filalaovana ny tarehimarika “13” Ireto avy izy ireo: Fihaonan-dalana Antaninandro- Andravoahangy fivavahana ; Ampahan-dalana BOA Ampandrana- Bel'air Antsakaviro- Ankorahotra-rond- point Ambanidia (Paositra Malagasy; Fihaonan-dalana Mahazoarivo Ambohimiandra Mandroseza- Rond-point; Ampahan-dalana Ankadimbahoaka- Androndra- fihaonan-dalana Mahazoarivo- fihaonan-dalana Mandroseza- Ambohimiandra- Rond-point Ambanidia Alasora 5; Ampahan-dalana zaridaina Antanimena- Ankadifotsy- Ambatomitsangana- tetezana Behoririka - trois métis Antaninandro; Ampahan-dalana Anosy- Andavamamba- CENAM- Jovena Ampasika; Ampahan-dalana mampitohy ny Magro Behoririka (Fohin/ Notre Dame) fihaonan-dalana Antanimena 8; Ampahan-dalana rond-point Ambanidia- Ankazotokana- SCORE- Tunnel Ambanidia; Ampahan-dalana CNELA- sampanan-dalana Tsiadana; Ampahan-dalana Ankatso- Antanimora- Mausolée- Ampasampito; Ampahan-dalana rond-point Raokady- Jovenna double Amoronakona- Rond point Ambohimanambola sy Lalamby By Pass- Gastro Ambohijanaka; Ampahan-dalana Ankasina-67Ha ; Ampahan-dalana 67 ha Sud (arrêt 30)- Jovenna - INSCAE- poste 67 Ha- pont Andranomanalina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT