Hatomboka amin'ity taona ity ny tetikasa “fly over” na tetezana mitsingevana 2
etsy Andohatapenaka-Ampasika sy etsy Anosizato, izay ahitana lalana mirefy 8km sy ireo tetezana, hoy ny nambara tamin’ny tatitry ny filan-kevitry ny governemanta ny 29 jolay. 20 tapitrisa dolara ny vola hanaovana izany ka ny BADEA na ny Banky arabo ho amin'ny Fampandrosoana aty Afrika no nambara fa hampindram-bola hanatanterahana azy. Findramam-bola mandritra ny 30 taona amin’ny zana-bola ambany 1%, ary afaka 10 taona vao hatomboka ny famerenana azy, hoy ny Fitondrana. Mbola mifanohitra amin’ny lalan-tsaina tsy mila fitrosana mampahantra novoizina ny desambra 2018 nakana ny fon’ny mpifidy io. Mbola manaporofo ihany koa, fa poakaty ny IEM, ary fitaka bevava hoe ny fiakarana eo amin’ny fitondrana no ela, fa efa vonona ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miomon’antoka. Na efa fitrosana aza no hanaovana azy, dia tsy niatomboka ilay “Fly over” izay ny 15 jolay 2020 no namoahana ny «appel à manifestation d'intérêt », ary ny 03 aogositra 2020 no fe-potoana nilazana fa hifaranan’ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ireo orinasa vonona ny hiantsoroka ny asa. 12 andro sisa dia ho tapitra ny taona 2020, ka mby aiza ilay fampanantenana? Tao anatin’ny krizin’ny covid-19 no niresahana sy nambara fa hanombohany, ka tsy mitombina ny mety ho filazana fa nihemotra noho ny valanaretina. Mora ny miteny sy manao be famangotra, fa sarotra ny manatanteraka. Zary lasa fahafaham-baraka ho an’ny mpitondra ny fampanantenana tsy tanteraka tahaka ireny kanefa tsy noterena sy novozonina izy niteny an’ireny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.