Fifamoivoizana

Famotehana fananana iombonana Nosamborina ilay mpamily fiara sy ny mpanampy azy


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Niongotra tanteraka ireo fitaovana mamaritra ny haben'ny fiara tetsy amin'ny lalam-baovao Tsarasaotra mampitohy an'i Vahalava Anosivaratra,

 raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Fiara 504 bâché iray nitondra tafo fanitso no nanao izany ka notazonin'ny polisy avy hatrany ny mpamily sy ny mpanampy azy ary nanokafana fanadihadiana noho ny fanimbana fananana iombonana. Ampahafantarina antsika fa misy ny lalàna manenjika ireo minia manimba ireny fananana iombonana ireny, hoy ny avy eo anivon’ny mpitandro filaminana. Hentitra ny Mpitandro ny filaminana amin'ny fanantanerahana izany . Entanina isika rehetra mba hahay hikajy sy hikojakoja ireo fotodrafitr'asa vaovao izay napetraka ho tombotsoan'ny be sy ny maro satria izay mahakolokolo ihany no hanana ny soa sy hisitraka izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT