Fifamoivoizana

Famindrana Taksibrosy eny Ambohimanambola Tsy mbola milamina


  • Alakamisy 17 Mey 2018

Niato tanteraka hatramin’ny nisian’ny fitakian’ireo solombavambahoaka 73 mianadahy ho amin’ny fanovana etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny tetikasan’ny fitondram-panjakana.

Anisan’ireny ny famindran-toerana ireo mpitatitra mihazo ny lalam-pirenena fahafito etsy amin’ny Fasan’ny Karana sy ny lalam-pirenena faharoa eny Ambodivona ho eny Ambohimanambola. Hatreto, tsy nahazo vaovao ny amin’ny fotoana hitokanana ny fotodrafitrasa ireo mpitatitra, toraka izay ihany koa ny resaka fifindran-toerana izay fantatra fa tsy mbola milamina.  Ho an’ireo taksibrosy mihazo ny lalam-pirenena faharoa, ohatra, dia misy amin’izy ireo izay manana tobim-piantsonana ho azy manokana no tsy hifindra eny Ambohimanambola, hany ka matahotra ny ho fatiantoka ireo tsy maintsy mifindra. Ho an’ireo mpitatitra etsy amin’ny Fasan’ny karana indray dia fantatra fa ireo mpandraharaha sy mpivarotra no tena olana raha misy amin’ireo mpitatitra ihany no tsy vonona tsara.  Tokony hiarahan’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, ny minisitera tompon’andraikitra ary ireo fikambanana sy mpitatitra midinika avokoa anefa  izany rehetra izany saingy tsy mbola tanteraka hatramin’ny omaly, nahazoana ny vaovao.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT